airtel

Fampianarana

05-mai-2023

Fampianarana

ALAOTRA MANGORO Mpampianatra 391 isa voaray ho mpiasam-panjakana

Sample post image

Midina ifotony ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrarimalala amin’izao ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana.

05-mai-2023

Taorian'ny faritra Atsinanana dia ny faritra Alaotra Mangoro indray no notsidihiny omaly. Ankoatra ny fitokanana ny sekoly manara-penitra EPP ao Ambohipasika dia nisy ny fizarana ny taratasy fifanarahana arak'asa ho an'ireo mpampianatra miisa 391 avy amin'ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Alaotra Mangoro.Nanolotra izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena notronin'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ao an-toerana. Nanome toky araka izany ireo mpampianatra nahazo tombontsoa fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny adidy masina hiandraiketany ho fanasoavana ny zaza Malagasy.Tetsy ankilany, nitsodrano azy ireo hahatontosa hatramin'ny farany ny adidy aman'andraikitra sahanin'izy ireo ho an'ny zaza Malagasy ny Tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazam-pirenena Malagasy. Notanterahina nandritra ny lanonana ihany koa ny fizarana bisikileta miisa 786 ho an'ireo mpampianatra mendrika sy ireo mpianatra sangany any an-toerana. Marihina moa fa ahitana efitrano fianarana miisa 2 ity EPP vaovao, vao notokanana ity. Novatsiana dabilio 48 isa sy latabatra natokana ho an'ny mpampianatra miisa 2 ihany koa ilay sekoly.

Nangonin’i Pati

Legende : Nandritra ny fanolorana ny taratasy fifanarahana ho an’ireo mpampianatra

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,

Card image cap
18-août-2023

Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.

Card image cap
17-août-2023

Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,

Card image cap
17-août-2023

23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,

Card image cap