Notokanana tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny rihina faha-efatra etsy amin’ny Alhambra Gallery Ankadimbahoaka ny foto-drafitrasa vaovao mifandraika amin’izany mba ho tombontsoan’ny vahoakan’Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan-dRaharinosy Monique, filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny Alliance française dia ezahina hahazo tombontsoa amin’izao fisokafan’ny Alliance française etsy Ankadimbahoaka izao ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba eny amin’iny faritra iny. Olana goavana sedrain’ny ankamaroan’izy ireny mantsy ny fahaizana mikirakira sy mampiasa ny teny frantsay. Efa mahatratra 1.600 moa amin’izao ireo mpikambana eo anivon’ny Alliance française. Tonga nanome voninahitra ny fitokanana Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ministry ny serasera sy ny kolontsaina, Rtoa Vavitsara Gabriella, Ministry ny fampianarana teknika sy ny fiofanana arak’asa….
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana omaly
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,