Izany indrindra no nanosika ny filohan’ny filan-kevi-pitantanana eo anivon’ny CNAM etsy amin’ny 67 ha sy ny filohan’ny fikambanana Lions Club Vohitsarana hanolotra fitaovana ho azy ireo. Dabilio miisa 21 niampy seza 36 isa no natolotr’izy ireo tamin’izany, ho an’ny EPP ao Ambodianfontsy, kaominina ambanivohitr’Ampitatafika. Nambaran’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nandritra izany fa nitady toko izy ireo ka sendra vato. Matetika hoy izy dia amin’ny alalan’ny fifampiresahana sy ny fandehanana any ho any hatrany no ahitana soa ho an’ny vahoaka tahaka izao ka tena faly tokoa ny tenany. Na izany aza dia mbola manana olana amin’ny resaka mpampianatra FRAM ity EPP iray ity. Miisa 3 izy ireo izay samy tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana avokoa. Nampanantena araka izany ny coatch eto amin’ny Faritra Analamanga, miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa hitondra izany hetahetan’ny mpianatra sy ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra izany any amin’ny ministra tompon’andraikitra.
Pati
Legende : Ireo fitaovana natolotra niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,