Fampanantenana efa nataony mba ho fanampiana sy fanohanana ireo tanora hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalorea. Ankoatra ny tan-tsoroka ara-pampianarana, maimaimpoana ihany koa ny “Polycopies” ho an’ireo mpianatra rehetra. Maherin’ny 800 ireo mpianatra nisoratra anarana sy tonga niatrika izany ny sabotsy teo, ka nirary soa ho azy rehetra sy ireo zanaka Malagasy rehetra hanala fanadinam-panjakana mba hahay sy afaka soa aman-tsara ity depiote ity. Tsy adinon’ity olom-boafidy ity ihany koa omaly alahady ny nirary soa ireo Renim-pianankaviana noho ny fetin’ny Reny omaly. “Ny Reny loharanon'aina, ny fitiavany anie tena mamy. Anio ilay fety ka dia arahabaina, ho ambinina hatrany hatrany. Ilay nian-kindrindrina irery e, nisotro ny rano tsy tiana! Misaotra ary koa mankahery, anareo Renim-pianakaviana! Mirary soa sesehena, Ho ambinim-bola aman-karena. Ho ela velona ho salama finaritra, ho ampoky ny soa, ho tahian'Andriamanitra!”, hoy ny Depiote Todisoa Randriamampandry nirary soa sady naneho an-tsary fa akaiky ary miray fo amin’ireo Reny rehetra ny tenany.
Toky R
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,