Tsy nitondra tanam-polo izy nandritra ny diany fa nijery manokana izay hahasoa ny vahoakan’Alasora. Ankoatra ny resaka fandriampahalemana dia nomeny sehatra manokana koa ny lafin’ny fanabeazana izay efa tena nahafantarana azy ireo. Fantatra tamin’izany ary hahazo tohana ny EPP Ambodivondava amin’ny alalan’ny Association Zazakely ao amin’ny kaominina Grande-motte (Hérault - France) ao La Frantsa. Ankoatra ny seza, dabilio, ny boky, solosaina hohampiasain’ny mpampianatra…dia mety hisy ihany koa ny fifanakalozana mpampianatra eo amin’ny EPP Ambodivondava sy ny EPP ao Grande motte izay tanjona lavitr’ezaka raha araka ny nambaran’ny Ben’ny tananan’Alasora. Hisy ihany koa moa ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo polisy monisipaly ao Alasora sy ny polisy kaominaly any Grande motte. Nisy ny fihaonan’ny Ben’ny tanana roa tonta nanapahana izany izay hialohan’ny fanolorana fanamiana ho an’ireo polisy monisipaly ao Alasora ato ho ato.
Pati
Legende : Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Ben’ny tanana roa tonta
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,