manoloana ny trano fandraisana ireo mpianatra avy amin’ny distrika hafa izay miatrika fanadinam-panjakana ao amin’ny Foibem-panadinana ao Mahabo. Toerana tsizarizary izay sokajian’ny mpitantara ho “tahaka ny tranon-kisoa” no andraisana ireo mpianatra avy any Morondava, Analaiva, Ankilizato, Belo Tsiribihina,… Efitranon-tsekoly, tranohazo tsizarizary sy makaka na banga be ny rindrina no hatoriana, ary labozia no ampiasaina fa tsy misy herinaratra,… Manginy fotsiny ny hatsiaka hiainana amin’izao vaninandro ririnina izao. Iza no tompon'andraikitra amin'izao? Ny mpianatra ve sa ny mpampianatra mitondra azy ireo sa ny Ray aman-dReny na koa ireo sekoly mampiantrano? hoy ny fanontaniana? Hanao fanadinana ve dia izao no hiainanareo ka inona ny hisafidianana foibem-panadinana any sa tsy afa-manoatra? Ireo mpampianatra sy solon-tenan'ireo Ray aman-dreny mitondra ireo zaza ve mba mandinika hoe tsy mety amin'ny zaza hanao Bakalorea no hatory amin'izao? hoy hatrany fanamarihana. Toe-javatra maneho hatrany itony fa na betsaka aza ny endrika ivelany hoenti-milaza fa tena mitsinjo ny fampianarana sy ny zaza Malagasy dia mbola maro ireo zavatra marary sy aretina mikiky amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Mila jerena akaiky!
Toky R
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,