tamin’ny sehatry ny informatika ny ekipa Informa’Tiako avy amin’ny Sekoly ambony tsy miankina IT University. Mpianatra taona faha-2 sy faha-3 avy amin’io Sekoly mampiofana momba ny informatika sy ny tontolon’ny teknolojia io ireto nahazo vokatra tsara ireto, ka famoronana haitao ara-nomerika mba hoenti-manatsara fikirakirana antontan-taratasy ara-panjakana tamin’ny alalan’ny tetikasa antsoina hoe : « MyID » no nentin’izy ireo tao anatin’izany, ka nahazoan’izy ireo ny fankasitrahana 1 600 000Ar. Tsara ny manamarika fa ny Unité de Gouvernance Digitale no nikarakara ity fifaninanana ity, ary ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny nomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra, ary ny paositra fifandraisan-davitra no niahy ny fifaninana na ny MNDPT; tao anatin’ny fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Banky Iraisam-pirenana, tetikasa PRODIGY (Projet du Gouvernement Digital et de Gestion de l’Identité Malagasy),... Tanjona tao anatin’izany ny famoronana ny antsoina hoe : “Prototype UX/UI” mba hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka momba ny fikarakarana taratasim-panjakana. Tsy vao sambany kosa ho an’ny IT University izay isan’ireo Oniversite sangany amin’ny fampianarana informatika eto Madagasikara no nisiana mpianatra nandrombaka fifaninanana lehibe momba io sehatra io na teto Madagasikara na tamina fifaninanana iraisam-pirenena.
Toky R
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,