Ny teny Malagasy mantsy no mbola tena fototry ny fampitana ny fianarana ho azy ireny izay mifanohitra tanteraka amin’ireo sekoly tsy miankina mampiasa sy mikirakira ny teny Frantsay. Somary sahirana vokatr’izany ireo ankizy manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana raha oharina amin’ireo ankizy mianatra eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Anisan’ny antony hanofanana ireo mpampianatra 20 mianadahy eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianaran’ Andramasina izany. Ny teny frantsay B1 sy B2 ireo no hanofanana azy ireo ka mpampiofana avy amin'ny "Alliance française" Antananarivo no manolotra izany. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny fikambanana "AGIRabcd Loire Océan"sy ny fari-piadidiam-pampianarana Andramasina no angady nananana sy vy nahitana izany ka ny tanjona dia hahay sy hahafehy ny teny Frantsay ireo mpampianatra 20 ireo no sady hahavita mampita izany amin’ireo mpianany ihany koa. Hisy ny fanolorana mari-pahaizana aorian'ny fiofànana. Pati
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,