fikambanan’ireo oniversite miteny frantsay na “conférence régionale des recteurs des établissements membres de l’AUF” aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika na “Afrique australe” sy ny ranomasimbe indianina. Hifarana anio ihany moa izany. Araka ny fanazavan’ny Profesora Slim Khalbous, rektoran’ny AUF, dia tanjona ao anatin’izay 2 andro izay ny fampahafantarana sy fanaingana ny marika na Label C2R izay hametrahana tambazotra nomerika, ara-kasa, fikarohana sy maro hafa ahafahana mampivoatra ny tontolon’ny oniversite miteny frantsay, indrindra, eo amin’ny lafiny tekinolojia vaovao. Mpitantana oniversite na solontenana mpitantana avy amina firenena miisa 9 no hiaraka hikaon-doha amin’ny rektoran’ny AUF mandritr’izay 2 andro izay etsy amin’ny Radisson blu Ambodivona ka ankoatrantsika eto Madagasikara dia isany koa ny avy any Angola, Afrika atsimo, Kaomoro, Frantsa, Kenia, Maorisy, Mozambika, Seisely. Maherin’ny 1030 isa ankehitriny ireo seha-pampianarana na”établissement” mpikamban’ny AUF amin’izao fotoana izao. oniversite ny 700 amin’izy ireo ary avy amina firenena miisa 120. Ho an’i Madagasikara manokana dia ho atao oniversite virtoaly na “université virtuelle” ny CNTMAD, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,