indrindra, ao anatin’ny fampiharan'i Italie ny "plan Mattei" miaraka amin'ireo firenena Afrikana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly mikasika ny fametrahan’ny masoivohon’i Italia vaovao eto amintsika ny taratasy ofisialy manendry azy. Io no anisan'ny noresahana nandritra ny fanoloran’ny masoivoho vaovao, Paolo Cuculi, ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahan'ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny varotra sy ny fiompiana sy fambolena na "agro-alimentaire". Maro ireo mpizahantany italiana no mitsidika an'i Madagasikara, indrindra fa ao Nosy-Be, ka naneho ny fahavononany ny firenena roa tonta fa hanao ny ezaka rehetra hampiroborobo io sehatra io sy ny isan'ireo mpizahantany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,