Nisy tamin’izy ireny no nanateran-dRay aman-dReniny vary raha nisy ihany koa ireo nividy izay kely hitany sy sahaza azy teny amin’iny faritra iny.Tahaka ny fanaon'ireo Polisy miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka isan-taona dia nizara tohan'aina ho an'ireo ankizy mpiadina ireo izy ireo hoentina manome hery ireto farany. Nahitana yaourt, bisikoitra… . izany. Ankoatra ny polisy moa dia nanolotra ody ambavafo ho an’ireo mpiadina mihoatra ny 1900 ao amin’ny faritra iadidiany ihany koa ny Ben’ny tananan’Ankaraobato Atsimondrano omaly. Toraka izany koa ny olon-tsotra iray teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny. Sakafo atoandro mihitsy no natolotr’ity farany raha ny fijerena ny convocation an’ilay mpiadina kosa no mba hany fepetra notakiany hisorohana ireo mety ho mpisoloky.
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ny polisim-pirenena nizara ilay tohan’aina
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,