hoy ny fanazavana nentin’ny fitantanana ny oniversiten’i Fianarantsoa omaly. Efa niezaka nampifanatona ireo mpianatra ny oniversite, hoy ny fanazavan’ny talen’ny serasera. Efa nisy koa ny fandraisana an-tanana ireo tra-pahavoazana ka efa milamina tanteraka ny oniversite ary miroso amin’ny tapa-taona faharoa amin’ny fampianarana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nanomboka ny 12 may teo moa, raha tsiahivina, no nisy sary niparitaka mikasika ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa am-polony avy any amin’ny faritanin’i Mahajanga voalaza fa natory teo an-tokontanin’ny COUM Fianarantsoa ny alin’ny 11 may ary voaroakan’ny fikambanana ZAMAMI sy nesorina tany amin’ireo trano fonenany teny Andrainjato. Voalaza fa nisy olana tamin’ny mpitarika ity fikambanan’ny mpianatra avy any Mahajanga ity ireto mpianatra ireto ary nesorina sy noroahana tamin’ny trano fonenany. Niantso ny mpitantana ny Oniversite izy ireo handray ny andraikiny manoloana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,