Tonga nanatrika ny lanonana ara-miaramila ho fanamarihana izany ny Filoham-pirenena sady Lehibe Faratampon'ny Foloalindahy Andry Rajoelina sy ny vadiny. Nandritra izany no nanaovana batemy ireo andiany 2022-2023 izay ahitana mpianatra miisa 84 mitondra ny anarana "Faha zato taonan'ny Sekoly Miaramilam-Pirenena", izay niavaka tokoa. Fomba fanao fialàna amin'ny fiainana sivily mba ho tonga tena miaramila kely ny batemy, ary ireo tanora ireo dia volavolaina anaty soatoavina fototra toy ny herim-po (courage) fanarahana ny fitsipi-pifehezana (discipline) sy ny tsy fivadihana amin'ny teny nomena (loyauté)." Ny fampianarana izay azonareo teto dia miavaka amin'ny lafiny akademika, teknika sy etika hahafahanareo manompo ny firenena. Tsarovy hatrany fa ianareo no mpiaro ny lova sy ny lazan'ity sekoly ity ary ireo soatoavina notezaina anareo teto no entinareo amin'ny lalam-piainanareo" hoy ny Filoha Andry Rajoelina raha niarahaba sy nitso-drano ireo mpianatra eto anivon'ny SEMIPI. Nanamarika ny fankalazana ny faha 100 taonan'ny SEMIPI notanterahina androany ihany koa ny seho "synchronisation japonaise" sy taekwondo nataon'ireo mpianatra ary ny fitokanana ny chapelle militaire Beravina. Nosoniavina omaly tao Fianarantsoa ihany koa moa ny fametrahana ho mpirahavavy ny SEMIPI sy ny Prytanée National Militaire de La Flèche any Frantsa. Voalaza fa ahafahana mandalina bebe kokoa ny fiifamatorana eo amin’ny tafika roa tonta io, ankoatra ny fiaraha-miasa samihafa.
Toky R
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,