Tao anatin’ny fivoriambe farany nataon’izy ireo ny 11 jolay lasa teo, namoaka fanambarana sy nanome fe-potoana 72ora ny SECES. Nitaky ny fialan’ny Praiminisitra, Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tao anatin’ny famaranana an’ilay fanambarana nanomezana fe-potoana 72ora. Nampahatsiahy hatrany ny mbola tsy fandoavan’ny Fanjakana ny ora fanampiny, vacations, indemnité sy ny fikarohana miaraka amin’ireo fitakiana hafa an-taonany tsy voaloa. Lasa mandavan-taona ny olan’ny SECES, sesilany ny fanambarana sy ny “ultimatum”,… Endrika maneho hatrany ireny fa marary sy atao ambanin-javatra ny fampianarana eto Madagasikara, fa olana mandavan-taona. Asa variana any amin’ny mamirapiratra sy endrika ivelany ve dia hadino ny maha olona? Tsy hisy firenena handroso izany kanefa ny tanora sy ny vahoaka ao aminy bado. Ny mpampianatra mpikaroka no mamolavola ny zanaka Malagasy ho mpitondra sy mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena rahampitso kanefa io iaraha-mahita io ny olan’izy ireo. Tsy fombana ny mpampianatra fa mba tara sy miandry fitakiana tahaka izao ve ohatra vao mivoaka ny karama sy tambin-karama any amin’ny tafika ohatra? Be fikenona sy be fanambarana ihany koa ve ny SECES fa manaiky ihany avy eo ka hodiana marenina?
Toky R
Raha efa nivoaka ny valim-panadinana bakalorea tany amin’ireo faritany 3 ahitana an’I Fianarantsoa izay 57,89% ny taham-pahafahana, Antsiranana 66,32%,
Hiakatra fitsarana anio ny raharaha fanakorontanana ny fanadinam-panjakana bakalorea, tamin’ny alalan’ny fanapariahana sy fivarotana laza adina.
Notolorana ny diplaoma “Docteur Honoris Causa” mariboninahitra lehibe eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Pr Jonah Ratsimbazafy,
23 taona nampianarana teny amin’ny oniversite sy nampianarana ny informatika aho hoy i Tahina Razafinjoelina , raha nihaona tamin’ireo tanora mpianatra tao Fianarantsoa sy Antsirabe izy,