airtel

Fandriampahalemana

19-juin-2023

Fandriampahalemana

Ampahana Antalaha Omby velona no nangalarana trafony

Sample post image

Omby velona iray no nisy nangalatra ny trafony tao amin’ny Fokontany Andranotsara kaominina ambanivohitra Ampahana,

19-juin-2023

distrikan' Antalaha ny alin’ny sabotsy 17 jona nifoha omaly alahady 18 jona tokony ho tamin’ny 03 Ora maraina. Somary nahavariana ihany ity tranga ity noho izany. Tsy nalain’ireo mpanao ratsy mantsy ny vatan’ilay omby. Mbola tsy fantatra mazava noho izany ny antony nangalaran’ireo mpanao ratsy io trafon' omby io, ka miroso amin’ny fanadihadiana mifandraika amin' izany ireo tompon’andraikitra. Noho ny alahelon’ny tompony ity omby ity moa dia voatery novonoina ilay biby tsy manan-tsiny hisorohana ny aretina sy hirifiry mety hahazo azy vokatr’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay omby velona nalana trafony
 

Dans la même rubrique