airtel

Fandriampahalemana

29-juin-2023

Fandriampahalemana

Ankazobe Sady voaolana no voadaroka ilay tovovavy

Sample post image

Marary mafy, mbola tsy mahateny hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay tovovavy kely manodidina ny 16 taona eo ho eo naolana no sady

29-juin-2023

novonoina saingy tsy namoy ny ainy, ary velona soa aman-tsara sy efa manaraka ny fitsaboana sahaza azy . Tranga niseho tany Ankazobe ny alarobia lasa teo izy ity. Olona sendra nandalo moa no nahita ity zazavavy kely ity tao anaty kirihitra efa tsy nisy fitafiana intsony ny tapany ambany hoy ny vaovao. Efa feno ratra ihany koa ny tavany, antony mampivonto be ny tarehiny. Vinainain’ireo nanatri-maso ho tratra hariva handeha hody izy ka nisy nanararaotra ary izao saika afaka izao ny ainy. Efa hita moa ny ray aman-drenin’ity tovovavy ity ary efa nanomboka ihany koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana
(Sary Flouter-na)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique