airtel

Fandriampahalemana

25-juil-2023

Fandriampahalemana

Anosibe Angarangarana Lehilahy iray tratra ambodiomby namaky trano

Sample post image

Lehilahy iray mbola erotrerony tokoa omaly alatsinainy maraina tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany no voasambotry

25-juil-2023

polisy avy ao amin'ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina teny Anosibe Angarangarana rehefa namaky trano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tratra nihanika tamboho izy io ary namaky ilay tranon'olona avy eo. Polisy nanao fisafoana no nahatazana izany ka niroso tamin'ny fisamborana azy. Tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano ity lehilahy ity ka tsy afaka nitsoaka intsony. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy izy nanaovana fanadihadiana. Tsy nety nilaza ny mombamomba azy mihitsy moa ity jiolahy ity nandritra ny fanadihadiana natao azy.
Pati
 

Dans la même rubrique