airtel

Fandriampahalemana

24-juil-2023

Fandriampahalemana

Fialan-tsasatra lavitry ny loza Hifanome tanana ny mpitandro ny filaminana sy ny mpamily

Sample post image

Nidina mivantana teny amin'ny tobim-piantsonana nasionaly ao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo ny ekipan' ny

24-juil-2023

zandarimariam-pirenena ao Boeny notarihin'ny kaomandin'ny vondron-tobim-pileovana, ny Kolonely Randriamahery Faniry niaraka tamin'ireo rantsamangaikan'ny fitaterana isan-tsokajiny toy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, ny DGSR, ny Polisim-pirenena, ny Fitaleavam-paritry ny fitaterana ao Boeny,.... Nitafa tamin'ireo mpisehatra amin'ny fitateram-bahoaka mitrandraka ny zotra nasionaly izy ireo nandritra izany ka anisan’ny nivoitra ny fametrahana ireo paikady mahomby hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanafihana any amin’ny lalam-pirenena faha-efatra sy faha-enina hanatsarana ny fitaterana ireo mpanao vakansy hihazo an'i Mahajanga. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny tranga tsy ampoizina eny an-dalana. Nifamarafara tsara moa ny roa tonta ary samy vonona handray ny tandrifiny mba ho fialan-tsasatra lavitry ny loza no hivoahan’ny mpiala sasatra an’Antananarivo fa tsy sanatria fanafihana na loza mety hamoizana aina sanatrian’ny vava.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta

Dans la même rubrique