airtel

Fandriampahalemana

05-juin-2023

Fandriampahalemana

Fifampitifirana teny Anosibe Jiolahy iray no matin’ny polisy

Sample post image

Polisy manao fanamiana sivily amin'ny 4 ora maraina manao fisafoana any anaty elakelan-tranon'Anosibe no nifanehitra tamin'ireo andian-jiolahy nitondra fitaovam-piadiana,

05-juin-2023

raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nisy ny fifampitifirana teo amin'ny roa tonta, hoy ny fanazavana. Polisy iray no naratra raha jiolahy iray niaraka tamin'ny antsy lava kosa no lavon'ny balan'ny mpitandro filaminana. Saika hanatanteraka asa ratsy moa izy ireo no izao nifanena tamin'ny Polisy izao. Mitohy ny fitadiavana ireo naman’ity jiolahy lavo ity, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique