Ankizy mpianatra roalahy kely handeha hianatra, niampita arabe no voadonan’ ny Kubota. Teo amin'ny lalam-baovao avaratry ny tanànan'i Feramanga Avaratra, no nitrangan’izany. Namoy ny ainy teo noho eo ny iray tamin'izy ireo vokatry ny dona mafy nahazo ny lohany raha naratra mafy kosa ilay namany ka nentina namonjy hopitaly. Tsiahivina hatrany moa fa olona 10 isan’andro no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny ankizy madinika izay tokony aterina sy alaina hatrany rehefa hamonjy ny sekoly na mirava hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely iray lasibatra
Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.