airtel

Fifamoivoizana

17-juil-2023

Fifamoivoizana

Kodiarandroa tsy voatazona tsindrihisatra Nivarina tanaty tatatra feno maloto

Sample post image

Kodiarandroa kely na “moto scooter” miaty sivifolo santimetatra toratelo (90 cc) ny milina manosika azy no niraikitra

17-juil-2023

tampoka ny tsindritsorika ka nitrena tampoka sy nirifatra ary dia tsy voatazon'ny tsindrihisatra ka namantana sy nivarina tanaty tatatra feno maloto, hoy ny fampitam-baovaon’ny nanatri-maso izany ny sabotsy teo. Nony navoaka ny finday tany am-balahan’ilay nitondra izany dia sina tanteraka rehefa novelomina, hoy ny fitantarana. Tsy nety velona koa ilay finday nefa isan’ireo azo lazaina ho hiaka farany.Tsy nisy naratra. Tsetsatsetra tsy aritra fotsiny no ilazana fa eo akaiky eo misy trano fivoahana ho an'ny rehetra nefa ao anatinio tatatra io ihany no arian'ny olona ny malotony miaraka amin’ny tavimandry, hoy hatrany ny fanazavan’ny nanatri-maso ity lozam-pifamoivoizana teny Ambodivonikely Ambohimanarina ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Card image cap