airtel

Fifamoivoizana

17-juil-2023

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena faha-34 Misy olona marobe mametraka barazy sy mitora-bato

Sample post image

Miha mahazo vahana indray ny tsy fandriam-pahalemana amin'iny lalam-pirenena faha-34 iny amin’izao.

17-juil-2023

Raha araka ny loharanom-baovao azo avy tamin’ireo mpitondra mpisera dia any amin’iny faritra iny dia nifanena tamina fiara maromaro izy ireo teny Malaimbady izay nilaza fa misy olona mihoatra ny 30 isa mametraka barazy sy mitoraka tany aloha tany ka nitsoaka niverina izy ireo. 20km tsy hiditra an’ i Malaimbandy ireo mpitondra mpisera dia ireo no nifanena tamin’ny fiara sprinter sy starex 4x4 ary 4x4 rexton mitsoaka niverina. Nampitandrina iretsy voalohany ireto farany noho izany no sady namonjy tanana sy niandry namana. Tonga ny taxi-brousse miisa roa taorian’izany ka niantso zandary ka ireto farany no nandrava ilay barazy sy namoaka ireo fiara sasany nivoaka ny tananan’i Malaimbandy. Tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany hariva moa no nitrangan’izany tamin’ny faran’ny herinandro teo, hoy hatrany ny vaovao.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Card image cap