airtel

Fifamoivoizana

20-juil-2023

Fifamoivoizana

Lalam-pirenena fahaenina Kamiao iray nirehitra teny am-pandehanana

Sample post image

Entana mitentim-bidy an-tapitrisany maro tao anatina kamiao iray lehibe no fantatra fa lasa lavenona tampoka vokatry

20-juil-2023

ny firehetan’ny kamiao iray lehibe nitondra azy tany amin’ny lalam-pirenena faha-enina. Teo ananelanelan'i Bekoratsaka sy Mampikony no nitrangan’izany raha araka ny loharanom-baovao azo. Kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny ankamaroan’ireo may kila forehitra ireo hoy ny vaovao raha mba afa-niala kosa ilay mpamily sy ny mpanampy azy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia vokatry ny tsy fahatomombanana teo amin'ilay fiara no niteraka ny loza. Soa ihany anefa fa tsy nisy olona tao anatin’ity kamiao iray lehibe ity ankoatra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Raha izay mantsy no zava-nisy dia mety olona maro ihany koa no namoy ny ainy. Fahazarana ho an’ireo mponina any amin’iny faritra iny rahateo ny mandeha fiara vaventy tahaka izao rehefa hivoaka ny tanana.
Pati
Legende : Nirehitra tahaka izao ilay kamiao lehibe
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Card image cap