voalaza fa mamo no tsy nahare na inona na inona raha nandalo ny lamasinina ka voahitsaka ary tapaka ny feny. Nisava tsy fidiny ny toakan’io lehilahy io vokatry ny fanaintainana nahazo azy raha tsy afa-nijanona kosa ilay lamasinina, antony hampanenoan’izy ireny klakisaona tsy an-kiato raha vantany vao miala lavitra izy. Ora maromaro no lany nisikotra ity lehilahy tra-doza ity, ary hita fa tena nijaly izy hoy ireo nanatri-maso. Mbola afaka niresaka tsara izy nandritra izany izay nambaran’ireo nanatri-maso fa mbola nahenoana fofon-toaka. Tonga teny an-toerana nandamina ny polisim-pirenena satria somary niteraka fitangoronana sy savorovoro ity tranga ity. Efa nentina nanatona ny hopitaly moa izy mba hanaraka fitsaboana.
Nangonin’i Pati
Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.