airtel

Fifamoivoizana

03-août-2023

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana Mahitsy Nandona olona, fiara sy moto ilay kamiao

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona tao Mahitsy, lalam-pirenena fahaefatra omaly hariva tokony ho tamin’ny 06 ora tany ho any.

03-août-2023

Kamiao lehibe iray no nifatratra tany amin'ny sisin'ny arabe ka nandratra olona vitsivitsy. Anisan’izany ilay olona nitondra chaise roulante izay sendra io kamiao ka nipitika fa tsy voatsindry . Moto iray hafa ihany koa potika tanteraka ankoatra fiara kely iray izay nitondra vehivavy bevohoka.Tsy mbola fantatra mazava moa ny tena antony nahatonga ny loza saingy raha ny filazav’ireo nanatri-maso dia vokatry ny fisongonana nataon’ilay fiarabe no nahatonga izany. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka hanamarina izany na tsia. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy saingy ny fahasimban’ny fitaovam-pitaterana no betsaka. Efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy moa ilay olona nitaingina chaise roulante sy ilay vehivavy bevohoka, ity farany izay tsy maintsy nojerena ihany noho ny fahatairana diso tafahoatra nahazo azy. Ny 20%-n’ny loza tahaka izao moa dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Card image cap