airtel

Fifamoivoizana

09-août-2023

Fifamoivoizana

Vedety Fandrama an’ny Aqualma Tsy hita nanomboka ny 5 aogositra

Sample post image

Nampandre ny orinasa Aqualma omaly fa tsy afaka nifandray tamin’ny vedety Fandrama laharana MJ 09 001 izay

09-août-2023

nitondra olona miisa 6 nanomboka tamin’ny tolakandron’ny 5 aogositra 2023. Ny antso farany azo, hoy ny fampitam-baovao, dia tamin’ny 3 ora 43 minitra tolakandro. Teo anelanelan’ireto mari-pamantarana na “coordonnées” ireto izany, hoy ny orinasa, dia Anjajavy Latitude: 14’57’39,60’’S sy Longitude: 47’16’16.17’’E. Ny fikarohana mahery vaika toy ny tamin’ny alalan’ny sambo, fiaramanidina, mpanao ankisitrika, APMF, zandarimaria sy ny maro hafa izay tsy nahazoana vokatra hatramin’ny omaly hariva (TTF: ny harivan’ny 7 aogositra teo) dia mbola mitohy. Mbola miangavy an-tanandroa antsika rehetra izay afaka manome vaovao momba izany hiantso aty aminay amin’ny alalan’ireto laharana ireto dia ny 0320548021 na 0321219781, hoy hatrany ity orinasa ity omaly.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

Card image cap