Na izany aza mbola tsy afa-po tamin’ny asan’Andriamanitra vitany izy raha araka ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety. Ny nataon’Andriamanitra tamiko sy ny ankohonako sy ny mpiara-manompo rehetra no nahafa-po ahy hoy izy fa ny nataoko tamin’Andriamanitra mbola tsy ampy. Mbola vonona hanohy ny fitoriana ny filazantsara hatrany am-paran’ny tany ity mpanompon’Andriamanitra ity manoloana izany mba ho famonjena ny fanahin’ny rehetra. Tsy hanavahana izany na tera-tany Malagasy na vahiny raha araka ny nambarany. Fiaraha-mifaly tamin’ny mpino moa no nentiny nanamarihana izany fotoan-dehibe izany.
Pati
Iray amin’ireo mpanakanto mandray anjara amin’ilay hetsika lehibe “Mandresy Madgasikara” ny mpihira ara-pilazantsara Rija Rasolondraibe.
Raikitra manomboka rahampitso zoma 18 aogositra 2023 ny hetsika fitoriana filazantsara lehibe “Mandresy Madagasikara”