airtel

kolontsaina

31-juil-2023

kolontsaina

Asa eny amin’ny Rova “Tsy misy mpianatra asa mikarama izany aloha!”

Sample post image

Namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny Talen’ny ORMada (Ofisin’ny Rovan’I Madagasikara) Rakotondrabao Aro ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly 30 jolay,

31-juil-2023

manoloana ny ambaran’izy ireo fa tsaho ahely amin'ny tambajotra serasera sy ny haino aman-jery sasany mikasika ny fitantanana ny maha-olona eny amin'ny Rovan'i Madagasikara, mitondra izao fanitsiam-baovao izao ny fitaleavana. Mpiasam-panjakana avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina no mandrafitra ny mpiasa raikitra eo anivon'ny Rovan’i Madagasikara, fa ho fanomanana ny fisokafan'ny Rova dia niantso mpilatsaka an-tsitrapo ny Minisitera mba hifanampy tamin'ny fanadiovana ny toerana. Namaly ny antso tamin'izany ireo Fikambanana samihafa avy eny amin'ny tanána manodidina ny Rova. Taorian'ny fisokafan'ny Rova ho an'ny daholobe nanomboka ny 19 jona 2023 dia nisy ny sivana natao ka nisafidianana ireo vonona hiasa an-tsitrapo hifanome tanana aminireo mpiasan'ny Minisitera eo anivon'ny Ofisin'ny Rovan'i Madagasikara. Nanontaniana izay nazoto satria efa nampahafantarina azy ireo nazava fa mijanona ho mpianatra asa izy ireo mandritra ny 3 volana farafahakeliny, ka izay mahafa-po no ho raisina ho mpiasa raikitra eo anivon'ny ORMada. Noho izany dia tsy marina velively ny filazana fa misy mpiasa tsy mandray karama raha tsy isaky ny telo volana, hoy io fanazavana io. Nambara fa efa mandeha ihany koa ny fandraisana ny antontan-taratasin'ireo mpianatra asa rehetra, mba hahamora ny fikarakarana avy hatrany rehefa vita ny fianarana asa, ho an'ireo izay ho voatazona. Nohazavaina tamin’ireo daholo izany fepetra izany ary efa nanaiky hanaraka ny fandaminana ireo mpianatra asa ireo, izay misitraka fanofanana maimaim-poana mikasika ny fikajiana sy fikolokoloana ary fiarovana ny vakoka isaky ny talata, andro fikatonan'ny Rova ho an'ny daholobe. Tsy misy mpiasa tsy mandray karama izany ao amin'ny Rovan’i Madagasikara, mbola tsy feno 3 volana akory ireo mpianatra asa ary mbola hosivanina koa izy ireo rehefa vita ny fianarana asa, hoy io fanazavana io.
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap