airtel

kolontsaina

21-juin-2023

kolontsaina

Festival Dona be Hampandrosoana ny faritr’i Sofia

Sample post image

Ho tontosaina ao Antsohihy, renivohitry ny faritr’i Sofia, ny 21 hatramin’ny 23 jolay 2023 izao ny andiany voalohany amin’ny hetsika goavana, Festival Dona be.

21-juin-2023

Araka ny fanazavana momba izany tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, dia fihaonana no tian-kambara amin’ilay hoe dona, izany hoe, fihaonambe. Hetsika natao hiteraka fifankafahantarana sy fifanakalozana vaovao ary mba ho fampandrosoana ny faritra ihany koa satria dia hahazo fivelomana anatin’izany avokoa na ireo trano fandraisam-bahiny na ireo mpanao nahandro na ireo mpanao fitaterana sy ny hafa marobe. Na ny avy any atsimo ho any avaratra na ny avaratra ho any atsimo dia tsy maintsy mandalo ao Antsohihy ka izay no antony ilazana azy ho fihaonana. Ankoatran’ny orinasam-pifandraisan-davitra Telma, izay sady mpanohana ny hetsika moa dia ny mpanakanto Dadi Love, izay zanak’iny faritra iny mihitsy no tompon’antoka voalohany amin’ny fikarakarana ny hetsika. Artista maro kosa no hanampy azy handray anjara amin’ny fanafanana ity fety be mandritry ny 3 andro ity ka isany, ohatra, ry Grand maitre Tianjama, Ceasar, Fandrama, Wendy Catalina sy mpanakanto hafa maro izay zanaky ny faritr’i Sofia. Hisy hetsika ara-panatanjahantena hifaninanana ihany koa anatin’izany toy ny baolina kitra lahy sy vavy, ny hazakazaka am-bisikileta, ny fifaninanana dihy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap