ny alahady 18 jona 2023 izao, manomboka amin’ny 1 ora tokakandro, araka ny fampahafantarana ofisialy ataon’izy ireo. Fotoana hanavaozana ny birao mpitantana, hisy ny tatitra ara-bola sy ny momba ny asa vitan’ny fikambanana nandritra ny fitantanan’ny birao ankehitriny izay tarihin’ny filoha, Atoa Ravelojaona Roger, raha ny fampahafantarana. Amin’io fivoriambe io ihany koa no hanatontosana ny fifidianana mpikambana handrafitra ny birao vaovao izay hitantana indray ny fikambanana, ka hiantsoana ireo zanak’ampielezana rehetra monina eto Antananarivo sy ny manodidina izay efa nisoratra anarana ho mpikambana, hoy ny fanentanana. Hoan’ireo izay maniry hirotsaka ho fidiana dia ny alarobia 14 jona 2023, amin’ny 06 ora hariva no fara-fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana. Ho an’izay mila fanazavana momba izany dia afaka miantso ireto laharan-tariby ireto : 034 66 971 59 (Mr Joujou) ; 034 07 676 47 (Mr Dimby) ; 034 04 161 86 (Mme Lucie). Manentana ny mpikambana rehetra ho tonga hanatrika io fotoan-dehibe io satria iankinan’ny hoavin’ny fikambanantsika, hoy hatrany ny filoha sy ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny FIZALAOTRA.
Toky R
Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.
Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,
Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;