airtel

kolontsaina

07-juin-2023

kolontsaina

Maitre Gims ao Mahamasina Hanomezana sehatra ireo mpanakanto Malagasy koa

Sample post image

Bella», «J’me tire», « Changer », « Zombie », «Avant qu'elle parte» no santionany amin’ireo hira nahafantaran’ny maro ilay mpanakanto iraisampirenena manana ny lazany,

07-juin-2023

Maitre Gims izay anisan’ny mpikambana ao amin’ny Sexion d’Assaut. Isan’ireo mpanakanto Frantsay efa nanatanteraka fampisehoana teto Madagasikara izy ary hiverina hiseho eto indray ny sabotsy 10 jona ho avy izao manomboka amin’ny 6 ora hariva etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Fampisehoana iray entina mampivondrona indray ireo mpankafy ity mpanakanto mivohy ny gadona Rap sy Hip Hop ity izy io, hoy ny fanazavana tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, fa hanomezana sehatra ihany koa ireo mpanakanto malagasy satria hanafana ny tapany voalohan’ity fampisehoana ity ry Ceasar, Nael ary Mr Sayda. Haharitra 4 ora ny fampisehoana ary ho hirain’ity mpanakanto ity miaraka amin’ireo mpitendriny manokana avokoa, izany hoe ho tendrena, ireo hira ho ataony amin’io, hoy hatrany ny fanazavana nandritry ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ity fampisehoana ity omaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap