Tonga marobe tokoa mantsy ireo mpankafy ny tarika Ambondrona sy ny tarika Zay izay nanafana ny lanonana izay marihina ihany koa fa afaka nankafy sy nihanoka ny tsiron’ny zava-pisotro fresh amin’ny endriny vaovao maro samihafa. An-jatony ireo mpifankatia, mpinamana, fianakaviana tonga nanohana ny antso teny an-toerana, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny orinasa Star rahateo. Naharitra ora efatra teo ho eo ny fampisehoana. Nentin’ireo tarika roa ireo nandravahana izany ireo hira nahafantaran’ny mpankafy azy hatramin’izay ka nanao hira manodidina ny 10 isa mihoatra teo avy ny roa tonta. Ny masoandro nody omaly no nampalahelo teny amin’ny Park Analamanga. Samy nalai-nisaraka ny mpankafy sy ny mpanankato. Hetahetan’ny roa tonta araka izany ny mbola hisian’ny fihaonana mafotaka tahaka ireny omaly ireny, indrindra fa ho an’ireo mpankafy ny tarika Ambondrona izay tonga hatrany na dia any amin’ny faritany aza.
Pati
Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.
Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,
Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;