Poety rebely, ny rakipeony mitondra ny lohateny hoe «Anindaotse». Ahitana tsangan’asa miisa 13 izany ho fanamarihany ihany koa ny 13 taona nilomanosany tao anatin’izay poezia izay, raha ny nambarany. Ny fitiavan-tanindrazana, ny adin’ireo vehivavy izay hitolomany, ny tantarany. Ireo no tena fonosin’ity rakipeo, hoy i Olsenie Rasoanivo na Poety rebely. Ity moa no rakipeo voalohany navoakan’ny mpanakanto, hoy hatrany ny fanazavany. Mivoatra rahateo moa ny tekinolojia ka dia tsy voatery raketina am-boky foana intsony izany izao fa mba atao am-peo ihany koa ny poezia.
J. Mirija
Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.
Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,
Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;