Nanomboka teo ny 40 taona nahalalàn'ny mpankafy ahy teo amin’ny sehatry ny kanto. Rariny loatra noho izany raha hiara-hisehatra izahay mianadahy, ao anatin'izany fankalazàna izany ho mariky ny fisaorako azy noho ny fahatokisany. Faly aho manolotra anareo ity seho an-tsehatra iarahanay mianadahy ity. Hanao io seho io izahay noho ny fangatahan'ny mpankafy marobe ary ny fahafantarany fa tao amin'i Njila no nivoahan'i Poopy, hoy hatrany i Poopy. Raha ny fikasana voalaza moa dia ho tontosain’i Poopy sy Njila etsy Antsahamanitra ny 6 aogositra 2023 izao izay fampisehoana miharo fahatsiarovana heverina fa tena mamy izay. Hiaraka hiseho indray izany i Poopy sy Njila, 40 taona aty aoriana.
J. Mirija
Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.
Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,
Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;