airtel

kolontsaina

16-juin-2023

kolontsaina

STAR Tour Antananarivo Etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe indray no fotoana

Sample post image

Raikitra ny Star Tour andiany faharoa ho an’ny tanànan’Antananarivo.Ny 23 Jona ka hatramin’ny 25 Jona ho avy izao no hanatanterahana izany eny amin’ny Coliseum Antsonjombe.

16-juin-2023

Isaky ny folakandro no fotoana ka hisy ny hilalao sy karazana fety maimaim-poana hotontosaina mandritra izany. Hanentana ny lanonana mandritra izany i Andry Barhone sy Fou Hehy raha mpanakanto sy tarika miisa 07 kalazalahy kosa no hifandimby hanafana ny sehatra mandritra ny telo andro. Hisy ihany koa ireo tranoheva natokana hahafahana milalao sy hahazoana loka maro isan-karazany. Toy ny mahazatra dia hita eny an-tperana avokoa ireo zava-pisotro STAR rehetra hanàla hetaheta eny amin’ireo toeram-pivarotana natokana ho amin’izany. Ho an’ireo mpankafy ny « pression » kosa dia hisy ny toerana voatokana ho azy ireo, anaty ambiansy karaoke sy fanentanana DJ hiarahana amin’i MPX sy DJ LOOMS ary DJ GOVA . Any amin’ny tany malalaka any ambony avokoa no hotanterahina ny hetsika rehetra mandritra io 3 andro io, izay hampiavaka ity Star tour indray mitoraka ity.Hohamafisina amin’ny alalan’ny fisavàna eo am-pidirana ny fandriampahalemana hiandraketan’ny mpitandro filaminana miaramila sy sivily isan’andro. Hisy ihany koa ireo tompon’andraikitra ho an’ny vonjy taitra miandry eny an-toerana raha misy ilàna izany. Mbola tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny orinasa STAR moa ity hetsika ity.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpanao gazety omaly
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap