airtel

kolontsaina

24-mai-2023

kolontsaina

Tantara an’onjampeo «Ondry botry» Ho lalaovina an-tsehatra

Sample post image

Hanatanteraka seho an-tsehatra eny amin'ny Ekar Ambohimiandra, distrikan'Ambohitrimanjaka, ireo andrarezin'ny filalaovana tantara an'onjampeo ahitana an-dRakoto, i Faly, i Niravo,

24-mai-2023

i Antsaravaka, ary i Synèse, hoy ny fampitam-baovao. Hotanterahina ny alahadin'ny Pantekoty izao, manomboka amin'ny 2 ora, eo an-tokotanin'ny fiangonana Md Piera Ambohimiandra izany. Holalaovin'izy ireo an-tsehatra ilay tantara nosoratan'i Ony Mihajanirina, mitondra ny lohateny hoe "Ondry botry". Anehoana ny fiainana an-davanandro ifamahofahoan'ny harena sy ny fahantrana. Ny fifankatiavan'olon-droa ary ny olan'ny fianakaviana sy ny fitondran-tena. Eo koa ny hatsikana sy ny fampitana anatra. Natao ho an'ny sokajin'olona rehetra rahateo ny seho an-tsehatra ary ifanakaikezan'ireto mpilalao tantara ireto amin'ireo mpankafy ihany koa. Hisahana ny fikirakirana ny lafiny tekinika sy ny fandrindrana ny sehatra ary koa ny fanentanana i Bruno Rakotomalala. Tsiahivina fa mikarakara izany fampisehoana izany ny antoko mpihira ao amin'ny fiangonana katolika Md Piera Ambohimiandra, hoy hatrany ny fampitam-baovao mikasika ity tantara an’onjapeo ho lalaovina an-tsehatra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap