airtel

kolontsaina

04-juil-2023

kolontsaina

Tarika Rabejean Miarinarivo Hihaona amin’ny mpankafy eto Antananarivo

Sample post image

Ny alakamisy 6 jolay izao no hihaonan’ny tarika Rabejean Miarinarivo indray amin’ireo mpankafy azy eto Antananarivo,

04-juil-2023

hoy ny fampitam-baovaon’ny tarika omaly. Zavakanto nentim-paharazana malagasy feno kolontsaina no ho entinay ao, hoy ny fanazavan’ireto tarika zanak’Itasy ireto. Isan’ny mampiavaka ny tarika moa ankoatran’ny fikaloana ba gasy ny karazan-kira rehetra na malagasy io na vahiny dia eo koa ny soradihy mampitolagaga isan-karazany sy ny famoahan’ny mpitarika ity tarika ity, Rabejean sodina vava, feon-tsodina amin’ny alalan’ny vavany fotsiny izao. Etsy amin’ny AFT Andavamamba izany no fotoana amin’io, hoy hatrany ny tarika, raha mba te ahita an’izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap