airtel

kolontsaina

05-juil-2023

kolontsaina

Vita Bacc Hanao seho in-droa miantaona i Treezey

Sample post image

Etsy amin’ny Ibiza Antaninarenina no ahitana an’ilay mpanakanto zandrikely miha misandratra amin’ny lazany, indrindra, tato ho ato,

05-juil-2023

tamin’ny alalan’ny hiran’iray nanakoako tao anaty tambazotran-tserasera tao tamin’ny alalan’itony «Tic toc» itony dia tsy iza fa ilay mpanakanto antsoina hoe Treezey ny alin’ny 21 jolay izao, izany hoe vita bacc. Ny ampitson’io ity mpanakanto ity dia efa hampirevy ao amin’ny Code 101 Antsirabe indray, izany hoe ny 22 jolay. Ao anatin’ny lazany tsara ity mpanakanto ity ankehitriny, hoy ny Musicsound malagasy, izay mpikarakara ireto hetsika in-droa miantaona ireto, ary manodidina ny ora 3 sasany eo ny fiarahana na koa hoe mandra-maraina mihitsy. Hanampy eo amin’ny fanomezana izay ambiansy izay rahateo ireo mpikosoka kapila ikoizana na DJ toa an-dry DJ Yoann Loic sy DJ Danny ary Paiky Lil-Style DJ. Somary nampiarahana kely tamin’ity ny ambiansin’ny morontsiraka sy ny avy eto ampovoan-tany ary fanamby napetrakay foana moa ny hoe hitondra zava-baovao mety amin’ny tanora hatrany, hoy hatrany ireto mpikarakara ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Fifidianana Filohan’ny Repoblika : olona iray ihany no ho lany, an’arivony hafa himenomenona, hanendrikendrika, hilahadahatra an-dalambe.

Card image cap
17-août-2023

Mpiara-mianatra in-dray mihira na “promotion” iray izahay, hoy ny filoha tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra horonantsary Mendrika project, Andrianina Ravel,

Card image cap
17-août-2023

Nieritreritra aho : inona tokoa no tokony ho lehibe kokoa, ny fisamborana, noho ny ahiahy kolikoly, ny mpiara-miasa amin’ny Filohan’ny Repoblika ve ;

Card image cap