Raha 20,5kg isan-taona isan’olona ny salan’isa ankampoben’ny fihinanana trondro sy hazan-dranomasina, dia mbola 5 kg io ho antsika Malagasy, indrindra fa ho antsika eto an-drenivohitra. Manatombokely amin’io isa io fotsiny ny any amin’ny faritra noho izy ireo manamorona ny sisin-dranomasina. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny halafosan’ny vidin’ny trondron-dranomasina no antony manosika ny mponina eto an-drenivohitra tsy hanjifa azy ireny matetika. Efa misy mahatratra 5.000 Ar mantsy ny fahefan-kilao amin’izy ireny izany hoe : 20.000 Ar ny iray kilao. Mitovy amin’ny trondron-dranomamy ihany izany vidiny izany amin’ny ankapobeny ka aleon’ireo mponina eto an-drenivohitra mihinana trondron-dranomamy. Na izany aza dia miezaka hatrany ny Ministera tompon’andraikitra miaraka amin’ny fikambanana tsy miankina iray mamatsy trondron-dranomasina amin’ny vidiny mora eto an-drenivohitra. Toerana miisa 4 no ahitana azy io toy ny eny Ambohipo izay hamidy amin’ny vidiny morary sy zakan’ny fahefa-mividin’ny maro. Mila tsy haharaka ny mpanjifa indray ireo trondron-dranomasina hamidy amin’ireo toerana miisa 4 ireo noho izany. Anisan’ny sakafo mitondra proteina ho an’ny vatana moa ny trondro raha toraka izany ihany koa ny atody sy ny hena.
Pati
(Sary fanehoana