airtel

Sport

02-août-2023

Sport

100 metatra misy fefy vehivavy Lasan’ny malagasy ny medaly volamena

Sample post image

02-août-2023

Efa tsy nampoizina ny zava-bitan’i Claudine Nomenjanahary teo amin’ny famaranan’ny 100 metatra tsy misy fefy, sokajy vehivavy, raha laharana faha-4 omaly, nandritry ny lalaon’ny frankofonia atao atsy Kinshasha, RD Congo. Mihoatra noho izany ary azo lazaina hoe vao mainka reharehan’ny firenena hatrany kosa ny zava-bitan’i Sidonie Fiadanantsoa fa teo amin’ny 100 metatra misy fefy indray kosa, ho an’izay sokajy vehivavy izay hatrany. Lasan’ny malagasy teto ny medaly volamena. 13”01 no fe-potoana nahavitan’ny tovovavy izay hazakazaka 100 metatra misy fefy izay tao anatin’ny lalaon’ny frankofonia andiany faha 9 atao atsy Kinshasha ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap