Tonga nitsena azy ireo teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ary ny minisitry ny asa vaventy, ny kolonely Andrianantrehina Livah Ndriamihaja, izay samy mpiahy ny taranja Basketball amin'ny lalaon'ny nosy manaraka, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola no nisolo tena azy 3 mianadahy sy ny governemanta iraimanontolo, izay sady reny mpiahy azy ireo ihany koa, niarahaba ny Ankoay ary nitondra ny hafatry ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina hoe «Reharehan’i Madagasikara ianareo». Niarahaba an'i Mathias M'Madi izay voahosotra ho mpilalao mendrika na "meilleur joueur" tamin'iny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany iny ihany koa ireto solontenam-panjakana ireto. Tsy ny faharesena, hoy hatrany ny minisitra nitondra teny, no atao mibahana an-tsaina fa ny zava-bitanareo izay nahazoanareo traikefa hiadiana mandritry ny lalaon'ny nosy manaraka eo.
J. Mirija
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.