airtel

Sport

04-août-2023

Sport

Baolina Kitra Ambohipihaonan'ny katita aty Antsirabe

Sample post image

Maresaka ety amin'ny kianjan'ny Star eto Antsirabe. Totonsaina eto mandritry ny herinandro ny Challenge des Jeunes izay karakarain'ny AS Magma.

04-août-2023

Fifaninanana izay handraisan'ireo Sokajy U12, U14, U17 ary U21 avy amin'ny ny klioba miisa 23.
Andiany fahatelo amin'ny Challenge des Jeunes izao ary tohanan'ny Cap Mada Voyages izay manana ny foibeny any Frantsa .
Fitaizana no zava-dehibe aminay hoy ny Sekretera Jeneralin'ny AS Magma izay nisaotra ireo moandray anjara sy irei mpiara-miasa satria tsy mora ny manao zavatra toy izao izay tokony ho andraikitry ny Federasiona.
Marihina fa saika voasolo-tena aty ireo klioba lehibe toy ny Disciples FC, Elgeco Plus, CFF Andoharanofotsy, JET Kintana amin'ny alalan'ny Kintana Akademia, Tana FC ary H+ izay tantan'i Hery kely BFV taloha ary tohanan'ireo Barea roalahy dia Jerôme Mombris sy Thomas Fontaine.

Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap