airtel

Sport

04-août-2023

Sport

Baolina kitra Cosafa Vehivavy Feno 45 ireo nantsoina

Sample post image

Tena mbola tsy nisy ohatraan'ity indray mitoraka ity. Handray anjara amin'ny Cosafa Cup atsy Afrika Atsimo ny 23 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra.

04-août-2023

Nanomboka ny voalohan'ny volana aogositra teo ny fampivondronana.
Raha efa mahazatra ny ankamehana toy izao dia vao maika tsy azo no nataon'ireo tomponandraikitra satria dia feno 45 ireo voantso.
Tena mbola tsy misy toy izao hatramin'izay. Fantatra anefa fa tsy mahazo mihoatra ny 23 ireo mpilalao isaky ny firenenana mandray anjara. Raisin'ny Afrikanina Tatsimo anefa ny falpiantranoana sy ny sakafo ho an'ny delegasiona miisa 25.
Izany hoe miato-tena ireo mihoatra.
Izay no fandaminana fa ny somary mahagaga dia toa 7 ihany amin'ireo 45 no mpilalaon'ny Disciples FC izay Tompondakan'i Madagasikara farany teo
Misy mihitsy aza ireo mpilalao tena tsy tazana tany Antsirabe
Dia ho hita eo no tohina ary enga anie ka tsy misy hifandraisainy amin'ny fifidianana ho avy eo anivon'ny FMF izao fihetsika hafahafa izao.

Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap