Vokatra efa nampoizina ihany satria tena niasa izy nandritry ny nitondrany ka nahavita fifaninanana maro niraisan'ny distrika Betafo. Ny fanehoan'ny programan'asany rahateo naharesy lahatra hatramin'ireo olona nosafidiany hiara-hitantana ny baolina kitra ao Betafo Nasiana teny ny vokatra tsara efa azon'ni Betafo toa ny Disciples FC any amin'ny Pro League sy ny naha tompondakan'i Madagasikara ny Disciples FC vehivavy farany teo. Mirehareha koa Betafo hoy izy manana mpitsara iraisam-pirenena vehovavy dia i Dominique izany. Hiezaka aho hoy ihany i Dokotera Lova ny hanao kianja efatra sy hamita ny tamboho manodidina ny kianja lehibe ao Betafo .Nasiany teny koa ny fanomezan-danja ny fiofanana amin'ny lafiny rehetra ary ny fikarakarana ireo taninketsa sy ny vehivavy..
Clément RABARY
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.