Anio alarobia, araka izany, ny mpilalaontsika no mamarana ny fiofanany ao Serbia. Hiainga ao Belgrade hihazo an’i Debrecen kosa avy eo ny ampitso, raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny federasionin’ity taranja ity. Haharitra ora 4 ny dia. Nandritry ny 10 teo moa, raha tsiahivina, ny fiofanana tao Serbia ary tokony mbola hisy lalao ho atrehin’ireto boay kelintsika ireto rahalina raha tsy misy ny fiovana ho fanomanana ny lalao ho atrehina ao anatin’ny fifaninanana ny sabotsy izao. Ny amerikanina, izany hoe ny ekipam-pirenen’i Etazonia moa no avy hatrany dia hifandona amin’ny malagasy voalohany ao anatin’izay Mondial U19 2023 izay. Ireto be kintana ireto, raha tsiahivina, no tompon’amboara farany saingy na izany na tsy izany… «Alefa Ankoay!» hatrany!
J. Mirija
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.