ny fisian’ny ahiahina fangalaran-taonan’ny klioba sasany nandritry ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny taranja ara-panatanjahantena ity ho an’ny latsaky ny 14 taona na U14. Teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny fifaninanana moa, raha tsiahivina, no tena ivon’ny savorovoro raha toa ka tsy nanaiky ny hifanehitra tamin’ny ekipan’ny SAC ny JCSA noho izay ahiahina hala-taona izay. Naneho ny alahelony ireo ray aman-drenin’ny mpilalao ary niezaka nanazava koa ny teo anivon’ny federasionina na ny FMBB. Nisy voambolana noraisin’ireo ray aman-dreny ho naman’ny fandrahonana nataon’ny federasionin’ity taranja ity tamin’izy ireo mihitsy aza moa saingy tsy nanakana ny tsikera mamaivay avy amin’ireo ray aman-dreny hatrany izany. Hatrany amin’ny fanatanjahantena, ahenoana fangalaran-taona. Any amin’ny fanadinam-panjakana ahenoana halatra laza adina. Any anaty biraon’ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, ahenoana halatra volamena. Ny sampan-draharaham-panjakana maro koa ahenoana fangalaram-bola na fanodinkodinam-bola. Any amin’ny fifidianana ahenoana foana ny hoe fangalaram-bato na hala-bato. Ny fangalaram-bato, fangalaran-tany, fangalaran’omby, fangalaran-taova, fangalarana taolam-paty sy ny maro hafa sesehena dia tsy misy azo amehezana azy ankoatran’ny hoe halatra no mameno ny firenena.
J. Mirija
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.