Resin'ilay avy any Bosnia, Aleksandra Samardzic izy teo amin'ny sokajin-danja latsaky ny 70 kilao. Tamin'ny alalan'ny Hansoku-make no nahavoazan'ilay mpifanandrina taminy. Nahay nararaotra Iilay Bosniaka satria tao anatin'ny iray minitra voalohany dia efa nahazo fampitandremana (shido) niisa telo i Laura Mazava ho azy fa tsy tafiditra intsony ity tompo-dakan'ny Afrika sokajy junior ity. Tsy kivy anefa ny tovovavy fa nilaza hanao izay tratry ny heriny mandritra ireo fifaninanana aty Afrika. Hitany ary fantany tsara izao ny hatao hoe judo avo lenta ka mila ezaka betsaka izany. Ary hatreto aloha noho ny fananana an'i Siteny Randrianasoloniaiko izay filoha ny UAJ ( Union Africaine de Judo) dia ho mora ny mahazo fanasana (wild card) ho azy mandritra ny Lalao Olympika any Lafrantsa ny taona 2024. Dieny izao izany dia efa tokony miomana mafy amin'izany i Laura Rasoanavo. Eo rahateo (raha misy ?) ny Lalaon'ny Nosy hanamporofoana fa mbola isan'ny sangany izy.
Clément RABARY
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.