airtel

Sport

29-juin-2023

Sport

Kaominin’i Talatamaty Nahazo kianja vaovao ny pétanque Club

Sample post image

Anisan’ny klioba manatanjaka indrindra amin’ny filalaovana tsipy kanetibe ny Pétanque Club Talatamaty, tarihin’ny filohany Rakotomalala Honoré.

29-juin-2023

Efa namoaka mpandresy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy izy ireo tamin’ny taona 2017. Efa nahazo ny laharana fahatelo tamin’ny faidiana ny tompondaka eran-tany ihany koa ny zanak’i Talatamaty havanana amin’ity taranja iray ity ka anisan’ny mbola tanjona hokendren’izy ireo ny hamokatra olomanga sy manan-talenta tahaka izany. Mitaky fananana foto-drafitrasa sy traikefa anefa izany antony nanomezan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic kianja ho azy ireo manamorona ny lalam-baovao misy ny ranon’Andranotapahana. Tsiahivina moa fa saika ahitana mpilalao tsipy kanetibe avokoa ireo Fokontany 12 mandrafitra ity kaominina iray ity.
Pati
Legende : Rakotomalala Honoré, filohan’ny Pétanque Club Talatamaty
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap