nanomboka tamin’ny taona 1980. Fanomezana rà ho an'ny vahoaka Malagasy tamin'ireo tobim-pahasalamana manerana ny Nosy no nanombohan'ireo mpanao Kung-fu izany ka tombanana ho 2.000 isa teo ho eo ireo mpanome rà . Anisan’izany ny Faritra Analamanga, Boeny, Itasy, Bongolava…. Ho an'Analamanga manokana dia teny amin'ny hopitaly CHU HJRA Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha no nanatanterahana tamin’ny Sabotsy 06 May lasa teo. Ny tany amin'ny Faritra sasany dia nisy ny tsy fahampian'ny fitaovana toy ny paosin-drà teny anivon’ny tobin-pahasalamana noho habetsahan’ireo mpanao Kung-fu tonga hanavotra ny ain’ny mpiray tanindrazana aminy. Nanambara ny Grand Maître Avoko, Filohan'ny Fédération Kung-fu izay nitarika ny hetsika fa hotohizana amin'ny fitetezam-paritra izao fankalazana izao. Miray feo tanteraka ankehitriny ireo mpanao Kung-fu fahiny sy ireo mpikambana ankehitriny ary mafy ny firaisankinan'izy ireo. Nampahafantatra ihany koa ny Grand Maître Avoko fa miverina ny "MIFOHAZA RY GASY" izay hitantsika ao amin'ny Pejy Facebook "MIFOHAZA RY GASY" mba ho hanampiana ara-torohevitra ny malagasy amin'izao fahasarotan'ny fiainana sy fahasahiranan'ny firenena izao. An’hetsiny no isan'ny mpanao Kung-fu manerana ny Nosy, ary anisan'ny fitsipika mifehy azy ireo ny tsy fahazoana mihinana sy mikasika zava-mahadomelina koa nilaza ny Grand Maître Avoko fa hitohy hatrany ny fitaizana mba hananana olom-banona ho avin'i Madagasikara mahomby.
Pati
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.