airtel

Sport

18-juil-2023

Sport

Lalaina Nomenjanahary na Bolida Nahazo ny diplaomany faharoa maha mpanazatra

Sample post image

Taorian’ny herintaona niofanana dia nivoaka ihany ny vokatra. Azo ny ny diplaoma “Brevet d'entraîneur de football” na BEF,

18-juil-2023

hoy ny lohalaharan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea teo aloha, Lalaina Nomenjanahary na Bolida. Noho izany dia tena mirehareha sy feno fankasitrahana aho manambara fa nahazo ny diplaoma faharoa nataoko, hoy izy. Isaorana manokana i Jean Marc Eliasy, izay “tuteur” na nitantsoroka ahy. Ny Tompo anie hamaly soa anao avo zato heny. Ny BEF dia mifanandrify na manana “équivalence” amin’ny diplaoma eoropeanina “licence UEFA A”. An'Andriamanitra irery voninahitra, hoy hatrany ny tenany izay efa lasa mifantoka tanteraka amin’ny lafiny maha mpanazatra indray izany amin’izao fotoana izao.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap